MIANARA MITETY ANDRO

Miovaova ny faha-tsinanan'ny volana fa tsy mba fotoana raikitra, toy ny fanisan'andro tandrefana.

Indraika feno 26 andro izay vao tsinana ny volana nefa indray koa efa mahatratra 30 na 31 aza vao miandoha indray ny volana Alahamady, Asorotany,Adimizana,Adijady.28 andro kosa no aharetan'ny adaoro,Adizaoza,Alahasaty,Asombola,Alakarabo,Alakaosy,Adalo,Alohotsy.

Maty ny volana eo amin'ny 28 andro aorian'ny na-hatsinananireo volana manaraka; noho izany dia misy andro iray ao anelanelan'ny fahafatesan'ny volana sy ny fahatsinany indray.Tsy indray andro kosa izy io amin'ny volana Alahamady,Asorotany, Adimizana ary Adijady fa in-droa andro vao tsinana ny volana manaraka. Io andro iray na roa io no atao hoe:miverin'andro amin'ny tetiandro mamono iray na mamono roa kosa ny filaza azy.

Miankina be dia be amin'ny fahalalana ny fahatsi nan'ny volana ny tonon'andro tsika, ka raha mpa-nandro marina sy tsy mpanao kitoatoa dia tsy ma intsy mandinika tsara manomboka eo amin'ny ahatsinanany. Dia izao manaraka izao ny laharam bolana Malagasy mipetraka eo amin'ny lafin-drindrina efatra: ireto zoron-trano efatra( dia ny Alahamady,Asorotany,Adimizana, Adijady) dia mitondra telo : vavany, sy ny vontony,ary ny vodiny. Ireo valo eo aminy lafin-dridrina kosa, izay vitana trotrony ireo efatra voalaza etsy aloa, dia andro roa ihany ny azy: vavany sy vodiny.

Koa dia mandeha arak'ireo fanisana ireo ny fitetezan'andro; ohatra: ny volana Alahamady dia tsinanan'ny alakamisy 13 febroary 1964 tamin'ny 16 ora 02 dia tetezina toy izao/ (satria efa dila ny tatao vovonana) dia ny ampitso izany vao manomboka ny fanisana ny andro dia ny faha 14 izany :

14 – 1 vv alahamady 18 – 5 vd adaoro

15 – 2 vt " 19 – 6 vv adizaoza

16 – 3 vd " 20 – 7 vd "

17 – 4 vv adaoro 22 – 8 vv asorotany :

dia toy izazny hatrany ambara-pahita izay daty nahaterahanao. Ny fanisana ny volana Malagasy dia 29 andro amin’ny volana rehetra ampofoana na baben'ny reni-vitana dia Tsinana izy amin'ny faha faha – 30 andro. Ny reni- vintana zoro efatra kosa dia 30 andro ka ny faha –31 andro izy no tsinana ny totalin’ny andro amin’ny volana Malagasy izany dia 352 andro. Ny an’ny vazaha kosa dia mahatratra 365 Andro izay mitovy fanisan'andro amin-dry zareo Antalotra, ( Manakara ) Ka tsy mba misy ny amin'ny mamono roa amin'ny tsinambolana fa amin'ny fande-han'ny masoandro

 

RETOUR

>RETOUR