NY HAZO SY NY VINTANA
Amin'ny fanandroana dia tsy maintsy misy hazo mifanambina @ireo vitana 12 tsirairay. Zay tsy fanompoan-tsampy akory izany naha sanatria hivavahana fa nanahary zay hankatoavina na hankatoavina avy amin'ireo no mampahery ny andro sy handresena azy na dia tsy mampiseho an'izany aza izy.
Ireto avy ny anarany arakiny vitana, andro mifanohitra arakinny tsipika
ANDRO NY HAZO AKOHO FITAFIANA
ALAHAMADY lambina mena mena
ADAOARO mahanoro mavo mavo
ADIZAOZY hatafara mavo tanora
ASOROTANY mokara manja-maity volokary
ALAHASATY amberivatry fotsy vanda volomparasy
ASOMBOLA tsingava mainty vanda-maity
ADIMIZANA zahana mena fotsilo manga
ALAKARABO voangibe volondavenina maintso
ALAKAOSY fontotra volom-pody volom-bitsika
ADIJADY vondrika sada-mavo mena-matroka
ADALO voatsilana volom-pera mainty na fotsy
ALOHOTSY lontsina fotsy fotsy
** VITANA MIFANDRATRA NA TETEZAN-TSY EFA **
Jereo ny sary fa izay vintana roa atohin'ny tsipika ao anaty no vitana mifanehitra,izay teraka amin'izany no vitana tetezan-tsy efa.
Toy izao no andro ahaterahan'ny olona manana io vintana io;na ireo mifamadika(vis-versa),ka ireto voalaza ho reni-volana no tonga tonon'andro, ary ny tonon'andro no manjary renivintana. mitohy ----)-
NY FIZARAN'IREO ANDRO 12 EO AMIN'NY TOETRANY,sandany avy
Ny votoantin'ny Fanadroana teo amin'ny Ntaolo dia nozarain-Taolo ho efatra, ny volana 12 ,koa zava efatra no nanoharany azy, dia ny A F O, T A N Y, R A N O, RIVOTRA, zay hitanao amin'io diampanorona, ary ireo andro mitovy:sandany.
Ny Alahamady Alakaosy Alahasaty dia vintan'AFO
Ny Asombola Adimizana Adaoro dia vintan-TANY
Ny Adalo Adimizana Adizaoa dia vitan-DRANO
Ny Alohotsy Asorotany Alakarabo dia vitan' ny RIVOTRA
Tany | Rano | Rivotra | Afo | |
Tany | Mety atao |
Mifanaraka |
Tsy Mifanaraka |
Mety atao |
Afo | Mety atao |
Tsy Mifanaraka |
Mifanaraka |
Mety atao |
Rivotra | Tsy Mifanaraka |
Tsy Mifanaraka |
Mety atao |
Tsy Mifanaraka |
Rano | Mifanaraka |
Mety atao |
Tsy Mifanaraka |
Tsy Mifanaraka |
Misy mifandratra sy tsy tsara miaraka manko izy ireo
Toy izany ny RANO sy AFO izay mifamono,dia ny Alahamady sy ny Adimizana
Ny AFO sy ny RIVOTRA.dia mifamelona: Alakaosy sy ny Asorotany,raha miaraka
Ny TANY sy ny RANO dia tsara miaraka, zay mifamelona dia ny Adaoro sy ny Adimizana, izany. Ny AFO sy ny TANY koa anefa dia tsy mifanonto fa miaraka dia ny Adijady sy ny ny alahasaty.
Ny TANY sy ny RIVOTRA dia tsy mifanaraka fa misafotofoto dia ny asombola sy ny alohotsy izany koa tena Hilaina ny mampirindrana izany fa tsy ankinina amin'ny sendrasenda fotsiny, koa dia toizany avokoa ireo andro voalaza teo ambony dia ny Alahamady mifanohitra ny Adimizana; ny Adaoro mifanohitra Alakarabo,ny
Adizaoza mifanohitra amin'ny Alakaosy; ny Asorotany amin'ny Adijady;Ny alahasaty amin'ny Adalo, ny asombola amin'ny alohotsy,sy ny sisa..! zay tsara mihintsy ny mitandrina izany fa tena zavadehi-be mihintsy eo amin' izay ataonao izany,
RENY VOLANA: TONON'ANDRO:
Alahamady = : Adimizana
Asorotany = : Adijady
Adaoro = : Alakarabo
Adizaoza = : Alakaosy
Alahasaty = : Adalo
Asombola = : Alohotsy
Alakarabo = : Adaoro